Business Forum Madagascar – Egypte : Dingana vaovao amin’ny fiaraha-miasa ara-toekarena

Notanterahina ny alatsinainy 23 jona 2025 tao amin’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny Indostria Antaninarenina, ny Business Forum Madagascar – Egypte. Ity hetsika ity dia mikendry ny hanamafisana sy hanavaozana ny fifandraisana ara-toekarena sy ara-teknika eo amin’i Madagasikara sy i Egypte, amin’ny alalan’ny fifanakalozan-kevitra.

Ny tanjona dia ny hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ireo sehatra marolafy toy ny fananganana fotodrafitrasa eto Madagasikara, fanomezana asa ho an’ny tanora sy ny vahoaka amin’ny ankapobeny, ary ny fampiroboroboana ny fanofanana ara-teknika sy arak’asa.

Manam-pahefana maro no nanatrika sy nanome voninahitra ity fihaonana ity. Anisan’izany ireo solontenam-panjakana notarihin’ireo minisitra telo nisolo tena ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA: ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Toetry ny andro, Andriamatoa Valery RAMONJAVELO; ny Minisitry ny Angovo sy ny Solika, Andriamatoa Olivier JEAN-BAPTISTE; ary ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa Moustapha MARSON. Nandray anjara ihany koa ireo solontena avy amin’ny sehatra samihafa sy mpisehatra amin’ny lafiny toekarena.

Ity Forum ity dia mariky ny fiaraha-miasa matotra eo amin’ny firenena roa tonta, ary manokatra varavarana amin’ireo vina vaovao ho an’ny fampandrosoana iraisana sy maharitra.