Fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny Fanatanjahantena

Nisy ny fihaonana tamin’ny mpanao gazety ny talata 17 jona 2025 tetsy amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahantena Mahamasina mahakasika ny fankalazana ny andro Iraisam-pirenena ho an’ny Fanatanjahantena. Nitarika izany ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah, niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka amin’ny fanatanterahana ny hetsika.

Ny fankalazana dia haharitra telo andro, dia ny 28, 29 ary 30 jona 2025. Amin’izany no hanatanterahana hetsika roa lehibe: ny andiany voalohany amin’ny “Salon National des Sports”, ary ny “Urban Trail” izay ho tanterahina ny 29 jona, iarahana amin’ny Rotary Club.