Nandritra ny Fivoriambe faha-40 an’ireo Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ao anatin’ny Frankofonia, izay notanterahana tao Rabat Maraoka ny 13 hatramin’ny 16 may 2025, dia nanatanteraka fihaonana manan-danja maro Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah, Minisitra Malagasy misahana ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
Tanjona: Hametraka ny fanatanjahantena ho loharanon-kery lehibe amin’ny fanovàna sy fampivoarana ny tanora Malagasy, ary hanamafy ny fisian’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Tao Paris dia nisy ny fihaonana manokana tamin’ny Ramatoa Marie PHILIPPE, Tale kabinetra eo anivon’ny Minisitera Delege misahana Frankofonia. Nifantoka tamin’ireto teboka ireto ny dinika:
- Fanamorana ny « visa talents » ho an’ny tanora manan-talenta
- Fanohanana ny tanora mpandraharaha
- Fanomezana lanja ny fahombiazan’ny JIOI 2023 nokarakarain’i Madagasikara.
Nihaona tamin’Andriamatoa Philippe DIALLO, Filohan’ny Federasiona Frantsay ny Baolina Kitra, ihany koa ny Minisitra. Nivoitra tao anatin’izany ny :
- Hampiofanana ireo teknisianina, mpitsara ary mpitantana Malagasy amin’ny ambaratonga ambony
- Hamoronana fifaninanana sy fifanakalozana tanora mpilalao amin’ireo klioba Frantsay sy Malagasy.
Tao Rabat dia nihaona tamin’Andriamatoa Fouzi LEKJAA, Filohan’ny Federasiona Marokanina ny Baolina Kitra sady Filohan’ny CAF lefitra, ny Minisitra. Nohamafisin’i Maraoka:
- Ny fanohanana amin’ny hahazoana ny « Homologation» ny kianja BAREA Mahamasina
- Ny fanampiana amin’ny fananganana fotodrafitrasa ara-panatanjahantena lehibe eto Antananarivo.
Ireo hetsika ireo dia mifanaraka tanteraka amin’ny vinan’ny Filoham-pirenena, Andriamatoa Andry RAJOELINA, izay manome lanja ny fanatanjahantena ho:
- Sehatra iray hanamafisana ny firaisan-kina ara-tsosialy,
- Fitaovana hanandratana ny tanora,
- Sehatra hanandratana an’i Madagasikara amin’ny sehatra iraisam-pirenena.








