Nanomboka ny Alarobia 14 may ary hitohy hatramin’ny Zoma 16 may 2025 ao amin’ny QG Tanora Ankorondrano ny fiofanana ho an’ny tanora momba ny fandraharahana. Ity fiofanana ity dia karakarain’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, amin’ny alalan’ny Fitaleavana misahana ny Fandraharahana sy ny Fampananan’asa ny Tanora, tarihin’ny Tale ALAIN Abou Bakary.
Lohahevitra maro no hifantohan’ny fiofanana, anisan’izany:
- Ny fanombohana sy fandrafetana vinam-pihariana (business plan),
- Ny kolontsaina sy toe-tsaina fandraharahana,
- Ny fananganana sy fanatanterahana tetikasa,
- Ny famolavolana drafitrasa (plan d’action).
Natao indrindra hanampiana ireo tanora 18 ka hatramin’ny 35 taona ity fiofanana ity, mba hananan’izy ireo fahalalana sy fahaiza-manao misimisy kokoa amin’ny sehatry ny fandraharahana. Natao hanampiana ireo tanora maniry handray anjara amin’ny fifaninanana tetikasa ao anatin’ny “Fandaharan’asa Fampiroboroboana ny Fandraharahan’ny Tanora” na “Programme de Promotion de l’Entrepreneuriat des Jeunes” (PPEJ) izay karakarain’ny ministera miaraka amin’ny CONFEJES ihany koa ny fiofanana.
Tanora miisa 35 no nandray anjara.








