Tontosa ny 19 aprily 2025 ny lanonam-pamaranana ny fihaonamben’ny tanora Afrikanina, momba ny toekarena manga, andiany faharoa na ny FOJAEB. Hetsika iraisam-pirenena nokarakarain’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena andaniny, ny Minisiteran’ny Jono sy ny Toekarena manga ankilany.
Tratra ny fanamby, tsy nitsanga-menatra i Madagasikara. Ny Minisitera tarihin’Andriamatoa Minisitra Moustapha Marson rahateo dia manome lanja ny fihariana sy fampivelarana ny tanora amin’ny sehatry ny toekarena manga sy maintso. Nohamafisiny tamin’ny lahateny izay natao fa anisan’ny loha-lisitra amin’ny fandaharanasany rahateo ny fandraharahana ho an’ny Tanora.
Ankoatra ity hetsika natao tany Toliara ity dia efa andalam-panomanana rahateo ny YouthConnekt Africa Summit 2025. Fihaonamben’ny Tanora Afrikanina ho tanterahina eto Madagasikara ny 26 hatramin’ny 30 novambra ho avy izao. Ny lohahevitra iompanan’izany dia ny hoe » Ilay Afrika mendrika antsika ».
Marihina fa vao tafaverina an-tanindrazana avy any New York, namonjy ny fikaonandohan’ny tanora mahakasika ny fanabeazana sy ny toekarena na ny ECOSOC ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena dia namonjy an’i Toliara avy hatrany.
Fanavaozana ny politika nasionalin’ny tanora (PNJ) : dingana lehibe ho an’ny tanora malagasy.
Notanterahana ny 23 desambra 2025 teny amin'ny QG Tanora, Ankorondrano, ny fivoriana voalohany izay mahakasika ny fanavaozana ny politika nasionalin’ny tanora (PNJ) . Ao anatin’ny ezaka fanohanan’ny Fanjakana ny tanora malagasy sy manoloana ireo fiovana...








