Anisany antoky ny fampandrosoana ny fanatanjahantena manerana ny faritra ny fananana fotodrafitrasa.
Nanatanteraka fidinana ifotony tany amin’ny faritra Vakinankaratra avy hatrany Andriamatoa Ministry Tanora sy ny Fanatanjahantena MARSON MOUSTAPHA Abdulah mba
hijerena ireo fotodrafitrasa ara-panatanjahantena any an-toerana.
Fitsidihana notanterahina ny faha 27 sy 28 aogositra niaraka tamin’ireo tompon’andraikim-panjakana isan-tsokajiny izay natrehin’ny Governoran’ny Faritra, Solombavambahoaka, Lehiben’ny Distrika, ny Filohan’ny Federasiona ny Taranja Basket ary ireo tompon’andraikitra eo anivon’ny orinasa nanatanteraka ny asa.
Ho an’ny Gymnase mahazaka olona 1000 natao ao Betafo dia efa vita tanteraka ny Gymnase ka ny fametrahana fitaovana ara-panatanjahantena ao anatiny no
sisa tavela. Eo an-dalam-pamitana ny eo ivelany toy ny famaranana ny rindrin’ny tamboho sy ny lalana fidirana ary fanatsarana ny “parking” izay eo amin’ny 70% ny taham-pahavitan’izany izay hoezahina ny hahavitany mba hahafahana mitokana azy amin’ny volana Oktobra.
Mahakasika ny Kianja manara-penitra dia misy fepetra manokana horaisina mba hahazoana mampiasa tanteraka azy mba hitandrovana sy fikajiana azy araka ny tokony ho izy anisan’izany ny fijerena ny ” terrain synthetique”.
Eo am-pijerena ny fanarenana ny ” piscine” na dobo filomanosana ihany koa isika mba hahafahana mampiasa izany faran’izay haingana.
Ny fidinana ifotony notanterahina izay notarihin’Andriamatoa Minisitra dia mampiseho ny maha zava-dehibe ny famitàna ireo fotodrafitrasa ara-panatanjahantena ireo anatin’ny fotoana fohy izay hiarahana mijery miaraka amin’ny Ministeran’ny Toekarena sy ny Fitantanam-bola ny fanatanterahana izany.