FARITRA FITOVINANY : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notanterahana ny 27 novambra 2022 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Manakara, Faritra Fitovinany.

Tonga nitokana izany ny Filohan’ny Repoblika Andry RAJOELINA, notronin’Andriamatoa Praiminisitra NTSAY Christian ary ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto, notronin’ny Ramatoa Christine RAZANAMAHASOA, Filohan’ny Antenimeram-pirenena sy ny Filoha Lefitrin’ny Antenimeram-doholona, Andriamatoa Nicolas RABEMANANJARA ary ireo olo-manankaja ambony maro samihafa niaraka tamin’ny vahoakan’i Faritra Fitovinany.

Nandritra ny fandraisam-pitenenana izay nataon’Andriamatoa Minisitra no nisaorany sy nankasitrahany ny Filoham-pirenena. Nasongadiny tamin’izany ny maha- zava-dehibe ny fananana fotodrafitrasa ara-panatanjahantena raitra toy izao, izay entina hikarakarana ny tanora sy hampiasaina amin’ny lafiny fanabeazana.

Nambarany fa efa eo andalam-pamitana koa ireo Kianja Mitafo miisa 18 hijoro tsy ho ela eny anivon’ny Faritra sy ny Distrika manerana ny Nosy.

Notsipihany manokana ihany koa ny fahavonan’ny Fitondram-panjakana amin’ny fandraisana ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11 eto Madagasikara amin’ny taona 2023.

Namafisin’Andriamatoa Ministra fa fananana iaraha-manana ny foto-drafitrasa toy izao, izay hipetraka ho an’ny taranaka faramandimby ka noho izany indrindra no anentanana ny rehetra amin’ny fikojakojana sy fikarakarana ary indrindra ny fanajana ny Kianja.

Tsy diso anjara araka izany ny tanora sy ny mpanao fanatanjahantena eto Manakara satria afaka mandray anjara tanteraka amin’ny fanomanan-tena sy mandray ary mikarakara lalao eto an-toerana.

Teo ampamaranana dia nanolotra fitaovana ara-panatanjahantena toy ny baolina sy fanamiana ho an’ireo klioba sy ho an’ny ligim-paritra Fitovinany ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA.

Autre Articles

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

Tanteraka androany Alakamisy 29 Aogositra 2024,teny anivon'ny biraon'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) teny ambohidahy ny fanambaram-pananan' ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah. Nambarany taorian'izany fa...

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notanterahina ny 09 septambra 2023 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Kianja mahazaka mpijery miisa 1000, ahitana efitra miisa 4 ho an'ny mpilalao sy miisa 2 ho an'ny mpitsara, ary toeram-pidiovana miisa 4 ho an'ny...

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

Tontosa ny 3 septambra 2023 teo amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny lanonana famaranana tamin'ny fomba ofisialy ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 izay notanterahana teto Madagasikara. Laharana voalohany i Madagasikara nandritra ity Lalaon'ny Nosy ity. - Medaly...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

Medaly volamena no azony Barea an'i Madagasikara eo amin'ny taranja Football mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

Medaly volamena avokoa no azony Malagasy eo amin'ny sokajy lahy sy vavy eo amin'ny taranja Basketball mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11.   Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa...

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

Notokanana ny 31 aogositra 2023 ny magazay Sport 2000 Ankorondrano izay mifantina ireo marika azon'ny rehetra jifaina sy amin'ny vidiny mirary. Ny Sport 2000 dia manolotra karazana fitaovana avo lenta avy amin'ny marika iraisam-pirenena ho an'ny taranja...