| Nandritra ny fidinana ifotony nataon’i Ramatoa Juliana RATOVOSON, Minisitra Lefitra misahana ny Tanora, tany Fenerive-Est dia nisy ny fihaonana tamin’ireo tanora isan-tsokajiny tao anatin’ny vondrona isankarazany izay nanaovana fifanankalozankevitra ary fifampizarana ihany koa mba hanatsarana sy hampandrosoana hatrany azy ireo eo amin’ny sehatra maro samy hafa. Ho fanatanterahana izany rehetra izany dia niara nidinika tamin’ireo mpiaramiasa any ifotony ihany koa izy hijerena ny paikady mifanaraka amin’ny zava-misy any antoerana. Ny tanjona dia ny hananan’i Madagasikara Tanora matanjaka sy mandroso izay fototry ny fampandrosoana ny firenena.
#MJs #jeunessemadagasikara #DGJ
|
Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao
FIARAHABANA AN'ATOA MINISITRA NOHO NY TAONA VAOVAO Noho ny nahatratrarana ny taona vaovao 2025 dia tsy adinon'ireo staff eto anivon'ny MJS no niarahaba manokana an’Andriamatoa Minisitra MARSON MOUSTPHA Abdulah amin'ny maha Ray aman-dReny eto anivon'ny Ministera ny...












