MINISITRA LEFITRA MISAHANA NY TANORA MIKATSAKA MANDRAKARIVA NY HANATSARANA NY TANORA

Nandritra ny fidinana ifotony nataon’i Ramatoa Juliana RATOVOSON, Minisitra Lefitra misahana ny Tanora, tany Fenerive-Est dia nisy ny fihaonana tamin’ireo tanora isan-tsokajiny tao anatin’ny vondrona isankarazany izay nanaovana fifanankalozankevitra ary fifampizarana ihany koa mba hanatsarana sy hampandrosoana hatrany azy ireo eo amin’ny sehatra maro samy hafa. Ho fanatanterahana izany rehetra izany dia niara nidinika tamin’ireo mpiaramiasa any ifotony ihany koa izy hijerena ny paikady mifanaraka amin’ny zava-misy any antoerana. Ny tanjona dia ny hananan’i Madagasikara Tanora matanjaka sy mandroso izay fototry ny fampandrosoana ny firenena.

#MJs #jeunessemadagasikara #DGJ

 

Autre Articles

FAMBOLEN-KAZO ANTSAHADINTA 2022

FAMBOLEN-KAZO ANTSAHADINTA 2022

Fikambanana maro no niara-dia tamin-dRamatoa Ministra Lefitra misahana ny Tanora androany Sabotsy 12 Febroary 2022. Zanakazo maro no novolena nandritr’izany ; ary hita tamin’ireo tanora ny fahavitrihana satria dia tanora iray nahavita nanatsatoka zanakazo 10 avy. Ny...