Noraisin’Andriamatoa Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena,MAMOD’ALI Hawel ireo mpiasa eto anivon’nyMinisteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay nandray anjara tamin’ny fifaninanana ASIEF natao tany Mahajanga ny 29 oktobra hatramin’ny 7 novambra lasa teo.
Niarahaba sy nisaotra ary naneho fankasitrahana ireo mpiasa noho ny fikarakarana natao azy ireo tamin’ny lafiny rehetra.
Nandritra ny fandraisana fitenenana izay nataony no nisaoran’Andriamatoa Minisitra azy ireo noho ny vokatra tsara azo nandritra izany fifaninana izany izay nametraka ny Ministera izay tantaniny teo amin’ ny laharana voalohany tamin’ireo andrim-panjakana sy minisitera 60 nandray anjara.
Hatao any Morondava ny andiany manaraka amin’ity lalao izay iraisan’ny mpiasam-panjakana manerana ny Nosy ity.
Fandaharam-potoana ara-panatanjahantena izay natao hitaizana ara-batana ireo mpiasam-panjakana rehetra tsy ankanavaka.