FANOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY “PROJET TANORA”

Natomboka androany 3 Septambra 2021 tamin’ny fomba ofisialy ny “Projet Tanora”, tetikasa natao hamolavolana ny tanora ho mpitondra fiovana amin’ny alalan’ny fampiofanana sy fampananan’asa ireo tanora eny amin’ny toerana marefo sy faritra iva eto Antananarivo.

Tsy latsa-danja amin’izany ihany koa ny tohana ho an’ny tetikasan’ny tanora ary ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo fikambanana misehatra ho an’ny tanora.

Ity Tetikasa ity dia tafiditra ao anatin’ny fandaharanasan’ny ASMAE MADAGASIKARA. Miisa 300 ireo tanora sy Ray aman-dReny hisitraka ny tetikasa eto am-panombohana.

“Pour une jeunesse actrice du changement”