Nanatanteraka valan-dresaka ho an’ny mpanao gazety ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena mahakasika ny fandaharan’asa « YouthConnekt Madagasikara Fanoitra » izay sehatra iray ampivondronana ny tanora mpiantsehatra amin’ny fandraharahana sy ireo tantsoroka mampivoatra. Ity fandaharan’asa Youthconnekt iaraha-miasa amin’ny Pnud Madagascar ity dia manome lanja ny fandraharahana sy ny fampananan’asa ho an’ny tanora, ny fampiofanana sy ny fahaiza-manao, ny fifaninana sy fanohanana ireo tetikasa mendrika, ary ny fanomezana lanja ny fizakan-tenan’ny tanora. Raha tsiahivina dia tetikasan’ny Filohan’i Rwanda Paul Kagame ny « youthconnekt » izay efa miparitaka manerana ny Afrika ankehitriny. Isika eto Madagasikara dia hampihatra ny « Youthconnekt Madagasikara Fanoitra » izay eo ambany fitarihin’Atoa TINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
Diplomasia ara-panatanjahantena: Minisitra Marson Moustapha Abdulah tao amin’ny Foara Fanatanjahantena Iraisam-pirenena tany Ejipta
Le Ministre de la Jeunesse et des Sports de Madagascar, Marson Moustapha Abdulah, a honoré de sa présence l’ouverture du Salon International du Sport en Égypte, c'était hier matin en présence du Premier Ministre égyptien, Moustapha Madbouli, et du Ministre...







