Daily Archives: 16 juin 2021

VONDRONA AFRIKANINA / UNESCO : FIVORIANA MIKASIKA NY FIAROVANA SY FANOMEZAN-DANJA NY LALAO SY FANATANJAHANTENA NENTIM-PAHARAZANA ATY AFRIKA.

Manatanteraka fivoriana ampitain-davitra mahakasika  ny Fanatanjahantena sy lalao nentim-paharazana ny African Traditional Sports and Games Confederation (ATSGC), manomboka anio 15 Jona hatramin’ny 17 Jona 2021 izao. Izany dia fiaraha-miasa amin’ny UNESCO sy ireo birao isam-paritra aty Afrika Andrefana sy Antsinanana ary ny vondrona misahana ny fanatanjahantena ao amin’ny foiben’ny UNESCO.