Daily Archives: 7 juin 2021

MAHITSY : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

Notanterahana anio 6 Jona 2021 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao tao Mahitsy izay ao anatin ‘ny Distrika Ambohidratrimo.

Tonga nitokana izany ny Filohan’ny Repoblika, Andriamatoa Andry RAJOELINA, notronin’ ny Filohan’ny Antenimierandoholona, ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ny Governoran’ ny faritra Analamanga, ny Ben’ny tanàna, ireo Solombavambahoaka ary ireo manam- boninahitra isan-tsokajiny.

GTCF: FANKALAZANA NY FAHA-20 TAONA

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny CONFEJES ary ny delegen’ny GTCF eto Madagasikara dia nanatanteraka hetsika ho an’ny tanora sy fanatanjahantena ho fanamarihana ny fankalazana ny faha-20 taona niorenan’ny GTCF (GROUPE DE TRAVAIL POUR LA PROMOTION DE LA PARTICIPATION DES FEMMES ET DES JEUNES FILLES AUX ACTIVITÉS DE LA JEUNESSE ET DES SPORTS) tao amin’ny ANS (Académie Nationale des Sports) Ampefiloha androany faha-04 Jona 2021.