YOUTHCONNEKT AFRICA (YCA) SUMMIT 2022

Notanterahana ny faha 12 oktobra 2022 any Kigali ny fivoriana fanomanana ara-teknika ny fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fihaonamben’ny komity mpitantana izay tarihin’ireo Minisitera misahana ny Tanora avy amin’ny firenena mikambana ao amin’ny YouthConnekt Afrika Summit.

Nandritra izany dia nisy ny fifanakalozana teo amn’ireo firenena mikambana ao anatin’ity vondrona ity mahakasika ny toe-java misy amin’ny tsirairay sy ny fivoaran-draharaha isaky ny firenena tao aorian’ny YouthConnekt Afrika 2021.

Miisa 30 ireo firenena Afrikanina mivondrona ao anatin’ny YouthConnekt Afrika ary anisany i Madagasikara izay ahitana delegasiona miisa 18 avy amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, FIHARIANA, PNUD, UNFPA ary CRS; izay tarihan-dRamatoa Tsikitsiky RAZANAMASY, Tale Jeneraly misahana ny Tanora, nisolo tena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto.

Ny faha 13 hatramin’ny 15 oktobra 2022 izao no hanatontosana ity fivoriam-be andiany faha-5 ity izay andraisan’ny Minisitera anjara.

« Resilient Youth, Resilient Africa», no lohahevitra mandritra ity fihaonambe ity.

Autre Articles

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

Tanteraka androany Alakamisy 29 Aogositra 2024,teny anivon'ny biraon'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) teny ambohidahy ny fanambaram-pananan' ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah. Nambarany taorian'izany fa...

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notanterahina ny 09 septambra 2023 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Kianja mahazaka mpijery miisa 1000, ahitana efitra miisa 4 ho an'ny mpilalao sy miisa 2 ho an'ny mpitsara, ary toeram-pidiovana miisa 4 ho an'ny...

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

Tontosa ny 3 septambra 2023 teo amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny lanonana famaranana tamin'ny fomba ofisialy ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 izay notanterahana teto Madagasikara. Laharana voalohany i Madagasikara nandritra ity Lalaon'ny Nosy ity. - Medaly...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

Medaly volamena no azony Barea an'i Madagasikara eo amin'ny taranja Football mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

Medaly volamena avokoa no azony Malagasy eo amin'ny sokajy lahy sy vavy eo amin'ny taranja Basketball mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11.   Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa...

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

Notokanana ny 31 aogositra 2023 ny magazay Sport 2000 Ankorondrano izay mifantina ireo marika azon'ny rehetra jifaina sy amin'ny vidiny mirary. Ny Sport 2000 dia manolotra karazana fitaovana avo lenta avy amin'ny marika iraisam-pirenena ho an'ny taranja...