TSIPY KANETY BE : FIADIANA NY AMBOARA MANERAN-TANY 2021.

Tonga nanotrona ny ekipam-pirenena Malagasy izay mandray anjara amin’ny fiadiana ny amboara maneran-tany amin’ny taranja « Tsipy Kanety Be » izay atao ao Santa Sussana, Espana ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahatena, Atoa MAMOD’ALI Hawel sy ireo mpiara miasa aminy.

Ny faha 23 novambra izao indray no mitohy ny fivoriana izay iarahana amin’ny UNESCO koa teo anelanelan’izay no nahafahana nanatrika ity fifaninanana iraisam-pirenena.

Zava-dehibe ho an’ny mpanao fanatanjahan-tena ny fanotronana azy ireo mivantana. Natao izany tamin’ny Barea, ny lalaon’ny Nosy tany Morisy, ny Lalao afrikanina tany Maroc izay mampiseho fa tsy misy latsa-danja ny fanohanana ekipam-pirenena.

Anisany tonga maro ny Diaspora Malagasy izay monina aty ivelany (Paris, Marseille, Lyon, Aix en Provence) ary mahavelom-bolo izany satria anisany hery fanampiny ho azy ireo hiatrika ity fifaninana ity.

Isaorana manokana ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA manohana hatrany ny ekipam-pirenenana sy ny fanatanjahan-tena Malagasy.

Ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahatena dia vonona mandrakariva hanohana sy hanampy ireo mpanao fanatanjahan-tena rehetra mba ahafahan’izy ireo mametraka ny toerany eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary midera azy ireo amin’ny vokatra sy ezaka hoetin’izy ireo ho reharehan’ny firenena.

Autre Articles

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

Tanteraka androany Alakamisy 29 Aogositra 2024,teny anivon'ny biraon'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) teny ambohidahy ny fanambaram-pananan' ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah. Nambarany taorian'izany fa...

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notanterahina ny 09 septambra 2023 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Kianja mahazaka mpijery miisa 1000, ahitana efitra miisa 4 ho an'ny mpilalao sy miisa 2 ho an'ny mpitsara, ary toeram-pidiovana miisa 4 ho an'ny...

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

Tontosa ny 3 septambra 2023 teo amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny lanonana famaranana tamin'ny fomba ofisialy ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 izay notanterahana teto Madagasikara. Laharana voalohany i Madagasikara nandritra ity Lalaon'ny Nosy ity. - Medaly...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

Medaly volamena no azony Barea an'i Madagasikara eo amin'ny taranja Football mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

Medaly volamena avokoa no azony Malagasy eo amin'ny sokajy lahy sy vavy eo amin'ny taranja Basketball mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11.   Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa...

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

Notokanana ny 31 aogositra 2023 ny magazay Sport 2000 Ankorondrano izay mifantina ireo marika azon'ny rehetra jifaina sy amin'ny vidiny mirary. Ny Sport 2000 dia manolotra karazana fitaovana avo lenta avy amin'ny marika iraisam-pirenena ho an'ny taranja...