TETIKASA MIVOATSE : DISTRIKAN’I MAHABO , FARITRA MENABE

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy ny faha 27 May 2022, tao Mahabo ny Tetikasa MIVOATSE izay tetik’asan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA hiarahana miasa amin’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ireo Minisitera isan-tsokajiny entina hanampiana ny tanora sy tantsaha eny ifotony mba ho fanatrarana ny Velirano faha-6 ( Asa mendrika ho an’ny rehetra ) sy ny Velirano faha-9 ( Fahavitan-tena ara-tsakafo) .

Ho an’ny Minisiteran’ny Tanora sy Fanatanjahantena, izay tarihan’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, dia efa mipetraka ny paikady mazava ho fanatanterahina izany :

TETIKASA FANOITRA ( Famatsiam-bola sy fanampiana ny tanora mpandraharaha mba haharitra amin’ny asa ataony ) , fampananana asa ho an’ny Tanora , Famoronana kolontsaina mpandraharaha ary ny Fahasalamana ara-pananahana ho an’ny tanora .

Nisy ny fitsidihina ireo trano evam-pampiratiana isan-karazany .

Tamin-kafaliana no nanambarana fa tsy ho latsa-danja amin’ny hafa ny distrikan’i Mahabo, ka hahazo KIANJA MANARA-PENITRA, ary nisy avy hatrany ny fijerena ifotony ny toerana hanaovana izany androany.

Autre Articles

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

Tanteraka androany Alakamisy 29 Aogositra 2024,teny anivon'ny biraon'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) teny ambohidahy ny fanambaram-pananan' ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah. Nambarany taorian'izany fa...

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notanterahina ny 09 septambra 2023 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Kianja mahazaka mpijery miisa 1000, ahitana efitra miisa 4 ho an'ny mpilalao sy miisa 2 ho an'ny mpitsara, ary toeram-pidiovana miisa 4 ho an'ny...

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

Tontosa ny 3 septambra 2023 teo amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny lanonana famaranana tamin'ny fomba ofisialy ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 izay notanterahana teto Madagasikara. Laharana voalohany i Madagasikara nandritra ity Lalaon'ny Nosy ity. - Medaly...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

Medaly volamena no azony Barea an'i Madagasikara eo amin'ny taranja Football mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

Medaly volamena avokoa no azony Malagasy eo amin'ny sokajy lahy sy vavy eo amin'ny taranja Basketball mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11.   Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa...

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

Notokanana ny 31 aogositra 2023 ny magazay Sport 2000 Ankorondrano izay mifantina ireo marika azon'ny rehetra jifaina sy amin'ny vidiny mirary. Ny Sport 2000 dia manolotra karazana fitaovana avo lenta avy amin'ny marika iraisam-pirenena ho an'ny taranja...