
Notontosaina ny Zoma faha 16 oktobra 2020 tao amin’ny hotel Centell Antananarivo ny fizarana narahim-pankatoavana ny tatitra ôfisialy ny fanisana sy fandalinana ireo mpiantsehatra amin’ny fandraharahan’ny tanora, izay fiaraha-miasa ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, ny Instat, ary ny PNUD ao anatin’ny programa « YouthConnekt Madagasikara ».
Maherin’ny 400 ireo mpiantsehatra nanaovana fanadihadiana izay natomboka tamin’ny Faritra Analamanga sy Androy. Koa aorian’ny fanitsiana farany izay hatao, ny vokatra ofisialy ny « cartographie » dia hozaraina mandritra ny fanombohana amin’ny fomba ôfisialy ny « Youthconnekt Madagasikara Fanoitra » ny faha 30 oktobra izao.