TARANJA VOLLEY-BALL

Tanteraka soamantsara anio Alahady faha-26 septambra 2021 teny amin’ny Gymnase Ankorondrano ireo lalao famaranana ny fiadiana izay ho Tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny taranja Volley-ball.

Ny Stef’Auto avy ao Toamasina teo amin’ny sokajy vehivavy ary ny GNVB teo amin’ny lehilahy avy eto Analamanga no nandrombaka ny amboara tamin’izany ka voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara ho an’ny taona 2021.

Tonga nanotrona sy nanome voninahitra izany, nisolo tena ny Ministry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD’ALI Hawel, ny Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena, Rosa RAKOTOZAFY sy ireo mpiara-miasa eo anivon’ny ministera.

Arahabaina araka izany ny Federasiona Malagasy ny Volley-ball nahatontosa izany fifaninana izany izay raha tsiahivina dia natao indrindra mba hifidianana izay handrafitra ny ekipam-pirenena malagasy.

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...