TARANJA TOLONA: FANDRAISANA IREO MANAM-PAHAIZANA EO AMIN’NY SEHATRA IRAISAM-PIRENENA

Nandray ireo manam-pahaizana iraisam-pirenena 2 misahana ny taranja tolona tao amin’ny toeram-piasany ao Ambohijatovo, ny faha 06 desambra 2022 ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto.

Ramatoa Anne CATHERINE,  mpanao fanatanjahantena matihanina teo aloha, efa tompondakan’i Frantsa sy Eropa ny taona 1997 ary nandray anjara tamin’ny fiadiana ny tompondaka eran-tany ny taona 2007,  nahazo ny medaly varahina, sy Andriamatoa Josepino MASSIDA, manampahaizana iraisam-pirenena avy ao amin’ny Fikambanan’ny Federasiona Frankofona taranja tolona, mpanazatra teo aloha ny ekipam-pirenena Frantsay nandritra ny 11 taona.

Mifanindran-dalana amin’ny politika apetraky ny fanjakana eo amin’ny fampandrosoana ny Fanatanjahantena ny fahatongavan’izy ireo eto an-toerana ka nanatanteraka fampiofanana indroa miantoana natokana ho an’ny atleta sy ny mpanazatra.

Nisaotra azy ireo Andriamatoa Ministra amin’ny fananan’izy ireo fandavan-tena manampy ny fanjakana Malagasy amin’ny alalan’ny fampiofanana sy fiaraha-miasa mandritra ny fanomanana ny lalaon’ny Nosy 2023.

Autre Articles

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

Tanteraka androany Alakamisy 29 Aogositra 2024,teny anivon'ny biraon'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) teny ambohidahy ny fanambaram-pananan' ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah. Nambarany taorian'izany fa...

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notanterahina ny 09 septambra 2023 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Kianja mahazaka mpijery miisa 1000, ahitana efitra miisa 4 ho an'ny mpilalao sy miisa 2 ho an'ny mpitsara, ary toeram-pidiovana miisa 4 ho an'ny...

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

Tontosa ny 3 septambra 2023 teo amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny lanonana famaranana tamin'ny fomba ofisialy ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 izay notanterahana teto Madagasikara. Laharana voalohany i Madagasikara nandritra ity Lalaon'ny Nosy ity. - Medaly...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

Medaly volamena no azony Barea an'i Madagasikara eo amin'ny taranja Football mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

Medaly volamena avokoa no azony Malagasy eo amin'ny sokajy lahy sy vavy eo amin'ny taranja Basketball mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11.   Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa...

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

Notokanana ny 31 aogositra 2023 ny magazay Sport 2000 Ankorondrano izay mifantina ireo marika azon'ny rehetra jifaina sy amin'ny vidiny mirary. Ny Sport 2000 dia manolotra karazana fitaovana avo lenta avy amin'ny marika iraisam-pirenena ho an'ny taranja...