TARANJA RUGBY : FANDRAISANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY IREO MAKIS VEHIVAVY

Noraisin’ Andriamatoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny 4 may lasa teo ireo mahery fo Malagasy MAKIS 7s vehivavy izay nitondra avo ny voninahim-pirenena tany Tunisie, nandritra ny Africa women’s seven 2022.

Ny fifaninanana izay natao tany dia nitondra an’i Madagasikara ho anisan’ny mpandray anjara amin’ny fiadiana izay ho tompondaka maneran-tany izay hatao ny volana septambra ho avy izao any Afrika Atsimo.

Nitarika ireto delegasiona, Andriamatoa TINOKA Roberto, Minisitrin’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny Filohan’ny Federasiaona Malagasin’ny taranja Rugby, Andriamatoa Marcel RAKOTOMALALA.

Amin’ny maha tompon’andraikitra voalohany ny Fanatanjahantena azy, dia nisaotra ny zava-bita tamin’ny fiarovana ny voninahim-pirenena ny tenany ary nanamafy ny fahavononan’ny Minisitera izay tantaniny hanohana ny Fanatanjahantena rehetra.

Notolorana fanomezana avy amin’ny fitondram-panjakana izy ireo ho mariky ny fitiavana sy fankasitrahana amin’izao ezaka goavana nasehony izy ireo izao.

Ary hisitraka fanampiana manokana avy amin’ny fitondram-panjakana mba ho fanohanana ireo mpilalao hiatrika ny fanomanana io lalao lehibe io.

Autre Articles

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

Tanteraka androany Alakamisy 29 Aogositra 2024,teny anivon'ny biraon'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) teny ambohidahy ny fanambaram-pananan' ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah. Nambarany taorian'izany fa...

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notanterahina ny 09 septambra 2023 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Kianja mahazaka mpijery miisa 1000, ahitana efitra miisa 4 ho an'ny mpilalao sy miisa 2 ho an'ny mpitsara, ary toeram-pidiovana miisa 4 ho an'ny...

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

Tontosa ny 3 septambra 2023 teo amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny lanonana famaranana tamin'ny fomba ofisialy ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 izay notanterahana teto Madagasikara. Laharana voalohany i Madagasikara nandritra ity Lalaon'ny Nosy ity. - Medaly...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

Medaly volamena no azony Barea an'i Madagasikara eo amin'ny taranja Football mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

Medaly volamena avokoa no azony Malagasy eo amin'ny sokajy lahy sy vavy eo amin'ny taranja Basketball mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11.   Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa...

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

Notokanana ny 31 aogositra 2023 ny magazay Sport 2000 Ankorondrano izay mifantina ireo marika azon'ny rehetra jifaina sy amin'ny vidiny mirary. Ny Sport 2000 dia manolotra karazana fitaovana avo lenta avy amin'ny marika iraisam-pirenena ho an'ny taranja...