TARANJA HAZAKAZAKA: FIADIANA IZAY HO TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA.

Vita androany 05 septambra 2021 ny Fiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara eo amin’ny Taranja Athlétisme teny amin’ny kianja Alarobia.

Voalohany tamin’izany ny Faritra Atsimo Andrefana nahazo Medailles 27, faha 2 Analamanga ary faha3 Atsinanana.

Tonga nanome voninahitra izany fandaharam-potoana izany ny tompon’andraikitra eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY, Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena sy ny talen’ny

« Direction de la Préparation de la Relève Sportive » (DPRS) Andriamatoa HARINIRINA RAJOHANESA Brice ary ny talem-paritry ny tanora sy fanatanjahantena eto amin’ny faritra Analamanga Andriamatoa ANDRIAMAMPIONONA Njato Lalaina Harinoro.