TARANJA BASKET BALL : FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP

Notontosaina ny11 oktobra 2022 tao amin’ny Lapan’ny Fanatanjahantena Mahamasina ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny FIBA AFRICA REGIONAL YOUTH CAMP, izay fampiofanana ireo mpilalao zandriny avy amin’ny firenena Afrikanina samihafa eo amin’ny taranja Basket Ball hiarahana amin’ny FIBA Afrika sy ny NBA Afrika.

Mpilalao zazavavy miisa 12 sy mpilalao zazalahy miisa 06, ary mpanazatra miisa 05 no misolo-tena an’i Madagasikara🇲🇬.

Ireo mpilalao 12 (Sokajy zazavavy)

VOLAHASINA Louise Francette

RAHARITIANA Chamirah Rodin

RANDRIANASOLO Hanitriniaina Nanah

RAKOTONIRINA Mianjasoa Koloina Fiderana

RAHARIARIVONY Justine Etienne

RAKOTONIAINA Fitahinjanahary Nanou

SOAMIAKATRA Christelle

RATSIMASON Fitahiana Voary

RAHARIJAONA Fionah Prestige

ANDRIATSITOHAINA Ny Hintsy Mirindra

RAFARASOA Elinah

RASOARIVELO Fideline Lycianna

Ireo mpilalao 06 (sokajy zazalahy)🇲🇬:

RABIBISOA Jerry Pepin

RANDIMBIARIVELO Rino

HERITIANA Fabrizio Mickael

ANDRIANJATOVO Fenofitia Loic

MORALILY Fameno

TOVOLALAINA Mariano Sylvain

Ireo mpanazatra 05 :

RAZANANIRINA Prisca Gouges

RAJAONA Tsiory Mandresy

RANDRIANARISON Lova

TOLONJANAHARY Rico Raymond

AINATSIFERANA Jacobin Hery Espérant

Tonga nanome voninahitra ary nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY izay nisolo tena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa TINOKA Roberto.

Autre Articles

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

Tanteraka androany Alakamisy 29 Aogositra 2024,teny anivon'ny biraon'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) teny ambohidahy ny fanambaram-pananan' ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah. Nambarany taorian'izany fa...

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notanterahina ny 09 septambra 2023 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Kianja mahazaka mpijery miisa 1000, ahitana efitra miisa 4 ho an'ny mpilalao sy miisa 2 ho an'ny mpitsara, ary toeram-pidiovana miisa 4 ho an'ny...

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

Tontosa ny 3 septambra 2023 teo amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny lanonana famaranana tamin'ny fomba ofisialy ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 izay notanterahana teto Madagasikara. Laharana voalohany i Madagasikara nandritra ity Lalaon'ny Nosy ity. - Medaly...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

Medaly volamena no azony Barea an'i Madagasikara eo amin'ny taranja Football mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

Medaly volamena avokoa no azony Malagasy eo amin'ny sokajy lahy sy vavy eo amin'ny taranja Basketball mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11.   Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa...

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

Notokanana ny 31 aogositra 2023 ny magazay Sport 2000 Ankorondrano izay mifantina ireo marika azon'ny rehetra jifaina sy amin'ny vidiny mirary. Ny Sport 2000 dia manolotra karazana fitaovana avo lenta avy amin'ny marika iraisam-pirenena ho an'ny taranja...