TARANJA BASIKETY : FANOKAFANA TAMIN’NY FOMBA OFISIALY NY FIADIANA IZAY HO TOMPONDAKAN’I MADAGASIKARA 2021 LEHILAHY SY VEHIVAVY.

Notontosaina androany 2 Octobra 2021 ny fiadiana izay ho tompondakan’i Madagasikara 2021 lehilahy sy vehivavy teo amin’ny taranja basikety.

Tonga nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy ny Tale Jeneralin’ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY sy ny mpiara-miasa eo anivon’ny Ministera izay nisolo tena ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Nandritra ny fandraisam-pitenenana izay nataony no nisaorana ny federasiona tamin’ny ezaka rehetra vita ho fanatanterahana ity fifaninana ity izay lehibe indrindra eto Madagasikara satria natao hifidianana ireo izay handrafitra ny ekipam-pirenena Malagasy. Nisaorana toy izany ihany koa ny ligy ary indrindra ny klioba amin’ny fikarakarana ireo ekipa tafakatra amin’izao dingana izao.

Tsy adino ny mpanazatra izay angady nananana ireo mpilalao tamin’ny lafiny fanazaran-tena.

Namela hafatra ny tokony hanaovan’ireo mpitsara ny asany araka ny tokony ho izy mifanaraka amin’ny fianianana izay natao sy ny traikefa ananan’izy ireo.

Nentanina ihany koa ny klioba amin’ny ady atao amin’ny fangalaran-taona eo anivon’ny taranja basikety izay toetra tsy mendrika satria tsy medaly sy amboara ihany no azo amin’ny fanatanjahantena fa fanabeazana ihany koa.

Matoa ny fanatanjahantena nataon’ny Filoham-pirenena tao anatin’ny Veliranony dia manana andraikitra ny tsirairay amin’ny fanatanterahana azy.

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...