SEHA-PIHARIANA HO AN’NY TANORA – TANJONINA NY FAMBOLENA SY FIOMPIANA MAHASARIKA SY MAHATAMANA NY REHETRA

Fototry ny hari-karena faobe eto Madagasikara ny fambolena sy fiompiana noho izy foto-piveloman’ny 80% ny mponina.
Miha-mihena anefa ny tahan’ny fandraisana anjaran’ireo tanora amin’io sehatra io ka mahatonga azy ireo handao ny taniny eny ambanivolo raha tokony hilofo sy hamelo-maso ny fambolena sy fiompiana. Hany ka lasa mifindra monina antanan-dehibe izy ireo ka mirona manatevin-daharana ny varotra amoron-dalana sy ny tsy manara-dalana.
Maro ny antony mahatonga ny olana sy mampiraviravy tanana ny tanora miaina eny ambanivohitra raha tsy hilaza ny hoe « miasa mafy ireo mpamboly kanefa kely ny vokatra na koa tsy manaja ny fenitra takiana ». Raha hatsaraina sy hampiakarina ny lentam-pamokarana anefa dia afaka mamelona sy mampiodina ny fihariany soamantsara io sehatra fambolena sy fiompiana izay maha-Malagasy ny Malagasy.
Mikatsaka vahaolana maharitra momba izay indrindra no nanantona’ny Ministra lefitra misahana ny tanora Juliana RATOVOSON ny Ministry ny Fambolena sy fiompiana Andriamatoa Harifidy RAMILISON. Mahavelombolo fa afaka misitraka ny paik’ady hitadiavana fahombiazana ho an’ny tanora mpamboly sy mpiompy  » mécanisation agricole » hialana amin’ny fampiasana herin-tsandry tafahoatra loatra.
Maro ireo soridalam-piaraha-miasa hatao nandritra ny fihaonana teo amin’ny Minisitra roa tonta ka harafitra anaty fifanaraham-piarahamiasa. Izany rehetra izay dia ny hananana tanora mihary, afaka mifaninana amin’ny hafa ary hisitrahany ny zony mahakasika ny fiainan-tsoa sy ho fampandrosoana maharitra. Ny vokatra azo amin’ireo tanjona ireo dia anisany manatratra ihany koa ireo velirano faha-6 « Fanomezana asa mendrika ho an’ny tanora » sy faha-9  » Fahaleovantena ara-tsakafo ho an’ny tanora » ary ny faha -8  » Fampizakan-tena ny tanora » amin’ny lafim-piainany manontolo.

Autre Articles

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

FIARAHABANA AN'ATOA MINISITRA NOHO NY TAONA VAOVAO  Noho ny nahatratrarana ny taona vaovao 2025 dia tsy adinon'ireo staff eto anivon'ny MJS no niarahaba manokana an’Andriamatoa Minisitra MARSON MOUSTPHA Abdulah amin'ny maha Ray aman-dReny eto anivon'ny Ministera ny...

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

Amin'ity taona 2022 ity dia hatomboka any amin'ny Faritra Ihorombe, Menabe ary Alaotra Mangoro ny fijerena sy fanaraha-maso ny fahasalaman'ireo Tanora. Noho izany dia notontosaina io maraina io teny amin'ny Centre d'Infectiologie Charles Merieux Ankatso ny...

MAISON DES JEUNES ANOSIBE ANALA

MAISON DES JEUNES ANOSIBE ANALA

SOKAFANA INDRAY AO ANATIN'NY FIFANDRIMBONAN'NY TANORA Manana Maison des Jeunes ny tanora ao an'Anosibe an'Ala saingy fsy nisitraka izany ireo tanora noho izy zary lasa fitoeran'entana efa simba sy lao efa an-taonany maro. Mandritra izao fandalovan'i Minsitra lefitra...