SANTILO CLUB: FITOKANANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY KIANJA SYNTHETIQUE.

Notanterahana ny 19 Jolay 2022 ny fitokanana ny kianja synthetique vaovao ao amin’ny « Santilo Club » etsy Anosizato Andrefana.

Tonga nanome voninahitra izany ary nisolotena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto, ny Tale Jeneraly misahana ny Fanatanjahantena, Ramatoa Rosa RAKOTOZAFY. Nandritra ny fandraisam-pitenenana izay nataony no nampitany ny teny firariantsoa ho an’ny club Santilo avy amin’Andriamatoa Minisitra sy ny fahavononan’ny Minisitera hanampy sy hanohana ny ezaka toy izao izay mariky ny fampandrosoana miaraka ny tontolon’ny baolina kitra.

Napetraky ny Fitondram-panjakana izay tarihan’ny Filoham-pirenena Andry RAJOELINA tao anaty fandaharan’asany ny  fanatanjahantena izay noraketina ao anaty Velirano faha13, natao hampiasaina ny fanatanjahantena hanandrantana indray ny hambom-pirenena. Izany dia notanterahina tamin’ny alalan’ny fametrahana fotodrafitrasa manerana ny Nosy izay miainga avy eny ifotony.

Noho izany indrindra no iderana sy isaorana ny mpitantana eo anivon’ny Santilo Cub amin’ny ezaka rehetra nataony nahavita ireo fotodrafitrasa izay notokanana ireo, izay hositrahin’ny tanora sy mpakafy baolina kitra eo Anosizato.

Ny fampandrosoana ny fanatanjahantena dia tsy vitan’ny fitondram-panjakana irery fa ilaina ny fiaraha-miasa amin’ny olona rehetra tsy ankanavaka.

« Ny tao-trano rahateo tsy efan’ny irery ».

Teo am-pamaranana no nampatsiahivany fa ny Minisiteran’ny Tanora sy Fanatanjahantena izay tarihan’Andriamatoa TINOKA Roberto dia vonona mandrakariva hifanome tanana amin’ny lafiny rehetra mifanaraka amin’ny fahafahana manao izany ary indrindra koa mifanaraka amin’ny lamina rehetra apetrakin’ny fitondram-panjakana amin’izay lafiny fanampiana sy fanomezan-tanana izay.

Autre Articles

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

Tanteraka androany Alakamisy 29 Aogositra 2024,teny anivon'ny biraon'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) teny ambohidahy ny fanambaram-pananan' ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah. Nambarany taorian'izany fa...

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notanterahina ny 09 septambra 2023 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Kianja mahazaka mpijery miisa 1000, ahitana efitra miisa 4 ho an'ny mpilalao sy miisa 2 ho an'ny mpitsara, ary toeram-pidiovana miisa 4 ho an'ny...

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

Tontosa ny 3 septambra 2023 teo amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny lanonana famaranana tamin'ny fomba ofisialy ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 izay notanterahana teto Madagasikara. Laharana voalohany i Madagasikara nandritra ity Lalaon'ny Nosy ity. - Medaly...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

Medaly volamena no azony Barea an'i Madagasikara eo amin'ny taranja Football mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

Medaly volamena avokoa no azony Malagasy eo amin'ny sokajy lahy sy vavy eo amin'ny taranja Basketball mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11.   Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa...

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

Notokanana ny 31 aogositra 2023 ny magazay Sport 2000 Ankorondrano izay mifantina ireo marika azon'ny rehetra jifaina sy amin'ny vidiny mirary. Ny Sport 2000 dia manolotra karazana fitaovana avo lenta avy amin'ny marika iraisam-pirenena ho an'ny taranja...