RUGBY: FITSENANA IREO XV MAKIS LADIES

Tonga soa an-tanindrazana ny delegasiona Makis vehivavy avy niatrika sy niaro ny voninahim-pirenena nandritra ny Rugby Africa Women’s Cup tany Tunisie ny 14 hatramin’ny 22 oktobra 2022.

Nivoaka laharana voalohany tao amin’ny vondrona C nisy azy ireo ny Makis Ladies rehefa nahazo fandresena avokoa tamin’ireo lalao roa nataony.

Hiatrika ny lalao manasa-dalana kosa ireo ekipa mitazona ny laharana voalohany isam-bondrona miisa efatra ary izay voalohany no voahosotra ho tompondakan’i Afrika 2022 ary mahazo ny tapakila hiatrika ny fiadiana ny amboara eran-tany amin’ny taona 2023.

Tonga nitsena azy ireo teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato ireo Tale isan-tsokajiny eto anivon’ny Minisitera, nisolotena an’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto.