Rallye – «Mada 2016» : nanao pao-telo i Ndrianja sy i Fanja

Namoaka ny lisitr’ireo tompondakan’i Madagasikara 2016, eo amin’ny “rallye”, ny federasiona. Nisongadina ny ekipazy PMU avy amin’ny klioba Asacm, nahitana an’i Ndrianja sy i Fanja, satria nanao pao-telo. Raha tsiahivina, voalohany teo amin’ny filaharana ankapobeny izy ireo. Ankoatra izay, tompondaka teo amin’ny sokajy N4 ary teo amin’ny “mixte”. Ndrianja, teo amin’ny “pilote” ary i Fanja, teo amin’ny “co-pilote”. Raha tsiahivina, nitondra ny fiara Subaru Impreza ary saika nandrombaka ny fandresena ireo dingana rehetra natao na tafiditra tao anatin’ny telo voalohany.

Ankoatra izay, raha ho an’ireo sokajy hafa, tompondaka teo amin’ny M12 4 roues motrices i Tahina. I Nirina kosa ny teo amin’ny M12 2 roues motrices. Nanao pao-droa koa i Tovohery satria norombahiny avokoa ny fandresena teo amin’ny M11 sy ny Traction 2 roues motrices. I Gaston ny teo amin’ny M10 ary i Herivonjy ho an’ny T2M. I Janice ny teo amin’ny sokajy vehivavy.

Ho an’ny slalom, norombahin’i Laza ny M10. I Haja Danielson ny teo amn’ny 4 roues motrices ary i Domvala ny teo amin’ny M12. Lasan’i Louvel Hugo  ny M11 ary i Jimmy ny M9. I Hasina no nahazo ny laharana voalohany teo amin’ny Crosscar. Tompondakan’i Madagasikara teo amin’ny karting indray i Patrick ary i Rija ho an’ny “rallye virtuel”.

Source : Taratra du  15 février  2017 ;Aut : Torcelin

Autre Articles

Basket – 3es JAJ :Madagascar aux côtés de sept pays

Ils sont quatre basketteurs  à défendre les couleurs malgaches aux 3es Jeux Africains de la Jeunesse qui débuteront demain à Alger. Pour la première fois, le basket-ball 3x 3 figure parmi les disciplines des jeux.  La fédération malgache de basket-ball a confié la...