
Ivon-toerana iray ao amin’ny Faritra Androy manana traikefa manokana amin’ny fanamboarana milina isan-karazany na « ouvrage métallique » no hiara-hiasa @ Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ao anatin’ny fanatanterahana ny programanasa « Pôle-emploi jeune ».
Nisy ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa natao teo amin-dRamatoa Juliana RATOVOSON, Tale Jeneraly misahana ny Tanora misolo tena an’ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena Andriamatoa TINOKA Roberto sy ny tanora tomponandraikitra ao amin’ity ivon-toerana ity, ary tapaka tamin’izany fa izy ireo no hanamboatra ireo milina na fitaovana mety ilain’ny mpikambana ao anatin’ny ivon-toeran’ny Tanora na Centre de Jeunes misehatra amin’ny fanodinana vokatra na « unité de transformation ».
Nanolotra fitaovana mifanaraka amin’izany, toy ny Poste soudure, koa ny Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay entina hahazoana kalitao ny asa.
Noho izany, tsy hividy milina na fitaovana avy any ivelany intsony isika fa ny tanora ihany no hamokatra fitaovana ho an’ny tanora hafa ho fanomezana lanja ireo taniketsan’ny tanora mpandraharaha.
Araka izany dia antsoina ireo tanora misehatra amin’izany ouvrage metallique izany mba hifandray mivantana @ Ministeran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.
Dans le cadre de la mise en œuvre du projet « Pôle-emploi jeune », un nouveau partenariat s’est établi entre le Ministère de la Jeunesse et des Sports et un Centre de Jeunes œuvrant dans le domaine de l’ouvrage métallique. De ce fait, une signature de Convention de partenariat a eu lieu entre la Directrice Générale de la Jeunesse, Madame Juliana Ratovoson, représentant le Ministre de la Jeunesse et des Sports, Monsieur Tinoka Roberto, et le Responsable de ce Centre de Jeunes. Par cet accord, il a été convenu que ce dernier produira des machines ou matériels pour les jeunes du Centres de jeunes qui oeuvrent dans la transformation des produits.
En outre, le Ministère de la Jeunesse et des Sports a remis des matériaux de fabrication nécessaires, comme le Poste-soudure Alu, afin d’améliorer la qualité de la production.
Par conséquent, nous n’aurons plus à importer des machines ou matériels, mais nous allons valoriser les petites et moyennes entreprises des jeunes.
Ainsi, nous appelons tous les jeunes entrepreneurs œuvrant dans ce domaine de l’ouvrage métallique à contacter directement le Ministère de la Jeunesse et des Sports.