FIFANARAHAM-PIARAHA-MIASA EO AMIN’NY MINISTERAN’NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA SY NY ECPAT

Natomboka androany faha 18 Novambra 2021 ka haharitra 2 andro ny atrikasa momba ny fampiroboroboana ny fandraisana anjaran’ny tanora eo amin’ny sehatra politika sy fitantanana ny raharaham-panjakana.

Mpiantsehatra maro isantsokajiny no hita ao anatin’izany izay ahitana Tanora mpandraharaha, mpikambana ao anaty fikambanana tanora sy antoko politika ary Tanora tomponan-draikitra anaty vondrona maro samihafa. Izao hetsika izao moa dia fiaraha-miasan’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny « Centre Europeen d’Appui Electorale ECES » ary ny « Organisation Internationale de la Francophonie OIF ».

Nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny atrikasa dia nanamafy i Ramatoa Juliana RATOVOSON, Minisitra Lefitra misahana ny Tanora, fa « isan’ny fanamby amin’ny asa fampiroboroboana ny tanora malagasy ny fandraisana anjaran’ny tanora amin’ny raharaham-pirenena sy ny fanapahan-kevitra raisina rehetra ».

Mifanojo ihany koa amin’ny fandaharan’asan’ny fitondram-panjakana ankehitriny izany sy ny votoantin’ny « Pacte National des Jeunes » izay novolavolain’ny tanora ny taona 2018 dia ny firotsahan’ny tanora antsehatra feno amin’ny fiainam-pirenena.

Zava-dehibe izao hetsika izao satria manome lanja ny feon’ny tanora amin’ny fandraisana fanapahan-kevitra isan’ambaratonga.Tafiditra ao anatin’izany ny fanetsiketsehana ny Parlemanta Nasionaly ho an’ny Tanora eto madagasikara na ny PNJ-M

#MJS #jeunessemadagasikara #DGJ #OIF #ECES #CCMAJ

 

Autre Articles

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

FIARAHABANA AN'ATOA MINISITRA NOHO NY TAONA VAOVAO  Noho ny nahatratrarana ny taona vaovao 2025 dia tsy adinon'ireo staff eto anivon'ny MJS no niarahaba manokana an’Andriamatoa Minisitra MARSON MOUSTPHA Abdulah amin'ny maha Ray aman-dReny eto anivon'ny Ministera ny...

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

Amin'ity taona 2022 ity dia hatomboka any amin'ny Faritra Ihorombe, Menabe ary Alaotra Mangoro ny fijerena sy fanaraha-maso ny fahasalaman'ireo Tanora. Noho izany dia notontosaina io maraina io teny amin'ny Centre d'Infectiologie Charles Merieux Ankatso ny...

MAISON DES JEUNES ANOSIBE ANALA

MAISON DES JEUNES ANOSIBE ANALA

SOKAFANA INDRAY AO ANATIN'NY FIFANDRIMBONAN'NY TANORA Manana Maison des Jeunes ny tanora ao an'Anosibe an'Ala saingy fsy nisitraka izany ireo tanora noho izy zary lasa fitoeran'entana efa simba sy lao efa an-taonany maro. Mandritra izao fandalovan'i Minsitra lefitra...