FIHAONAN’NY MINISTRA LEFITRA MISAHANA NY TANORA TAMIN’NY SOLONTENA MAHARITRY NY PNUD ETO MADAGASIKARA

Noraisin’i Ramatoa Minisitra lefitra misahana ny Tanora Juliana Tahina Ratovoson.ny Solontena maharitry ny PNUD Madagascar Natasha Van Rijn ny alatsinainy faha 11 oktobra.

Nodinihana tamin’izany ny fanomanana ny dian’ny delegasiona malagasy hiatrika ny Fihaonambe YouthConnekt Africa izay hatao ao Accra Ghana ny 20-22 oktobra 2021 izao.

Izao fihaonana izao koa no nizarana ireo asa laharam-pahamehana ho an’ny ministera misahana ny tanora.

Ny #PNUD dia anisan’ny mpiaramiombon’antoka miara-miasa akaiky amin’ny Ministère de la Jeunesse et des Sports, ary nanamafy izy ireo fa hampitomboina ny fanohanana ny tanora malagasy.

 

Autre Articles

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

FIARAHABANA AN'ATOA MINISITRA NOHO NY TAONA VAOVAO  Noho ny nahatratrarana ny taona vaovao 2025 dia tsy adinon'ireo staff eto anivon'ny MJS no niarahaba manokana an’Andriamatoa Minisitra MARSON MOUSTPHA Abdulah amin'ny maha Ray aman-dReny eto anivon'ny Ministera ny...

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

Amin'ity taona 2022 ity dia hatomboka any amin'ny Faritra Ihorombe, Menabe ary Alaotra Mangoro ny fijerena sy fanaraha-maso ny fahasalaman'ireo Tanora. Noho izany dia notontosaina io maraina io teny amin'ny Centre d'Infectiologie Charles Merieux Ankatso ny...

MAISON DES JEUNES ANOSIBE ANALA

MAISON DES JEUNES ANOSIBE ANALA

SOKAFANA INDRAY AO ANATIN'NY FIFANDRIMBONAN'NY TANORA Manana Maison des Jeunes ny tanora ao an'Anosibe an'Ala saingy fsy nisitraka izany ireo tanora noho izy zary lasa fitoeran'entana efa simba sy lao efa an-taonany maro. Mandritra izao fandalovan'i Minsitra lefitra...