MORONDAVA : KIANJA MANARAPENITRA

Amin’izao fandalovan’ ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, Andriamatoa MAMOD’ALI Hawel ao Morondava anio 23 Septembra 2021 izao dia tonga niverina nijery ifotony  ny fandrosoan’ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao morondava ny tenany.

Nijery ny toerana malalaka manodidina ny kianja ihany koa  Andriamatoa Minisitra izay ho kasaina  hanorenana  kianja ho an’ny tennis, baskety ary Handball, izay mirefy 95 metatra ny lavany ary 34 metatra ny sakany.

Fitsidihana izay niarahana  tamin’ny talem-paritry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena ao an-toerana.