Moramanga: Nanolotra moto miisa roa ho an’ny Maison des Jeunes Moramanga sy Ambatondrazaka ny Ministra lefitra misahana ny Tanora.

Tao arian’ny fitsidihan’i Ramatoa Minisitra lefitra misahana ny tanora tao @ distrikan’i Anosibe An’ala dia tsy nandalo fotsiny tao Moramanga izy fa nifampiresaka tamin’ireo tompon’andraikitra mahakasika ny andraikitra raisina manoloana ny rivo-doza.
Tao arian’izay dia nanolotra moto miisa roa hoan’ny Drjs Alaotra Mangoro : Maison des Jeunes eto Moramanga sy Ambatondrazaka ny tenany izay fiaraha-miasa amin’ny UNFPA Madagascar entina manatanteraka ny asa ho an’ny tanora hipàka eny ifotony.
Nisaotra ary nankasitra ity fanomezana natolotry ny Minisitra Coach ity ny Ben’ny tanana Moramanga Rasofonjatovo Ezechiel.