Moramanga: Nanolotra moto miisa roa ho an’ny Maison des Jeunes Moramanga sy Ambatondrazaka ny Ministra lefitra misahana ny Tanora.

Tao arian’ny fitsidihan’i Ramatoa Minisitra lefitra misahana ny tanora tao @ distrikan’i Anosibe An’ala dia tsy nandalo fotsiny tao Moramanga izy fa nifampiresaka tamin’ireo tompon’andraikitra mahakasika ny andraikitra raisina manoloana ny rivo-doza.
Tao arian’izay dia nanolotra moto miisa roa hoan’ny Drjs Alaotra Mangoro : Maison des Jeunes eto Moramanga sy Ambatondrazaka ny tenany izay fiaraha-miasa amin’ny UNFPA Madagascar entina manatanteraka ny asa ho an’ny tanora hipàka eny ifotony.
Nisaotra ary nankasitra ity fanomezana natolotry ny Minisitra Coach ity ny Ben’ny tanana Moramanga Rasofonjatovo Ezechiel.

Autre Articles

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

FIARAHABANA AN'ATOA MINISITRA NOHO NY TAONA VAOVAO  Noho ny nahatratrarana ny taona vaovao 2025 dia tsy adinon'ireo staff eto anivon'ny MJS no niarahaba manokana an’Andriamatoa Minisitra MARSON MOUSTPHA Abdulah amin'ny maha Ray aman-dReny eto anivon'ny Ministera ny...