Minisitra TINOKA Roberto: « Lalan-tsaina vaovao no nentina nitondrana amin’izao fotoana izao »

Tsy nidoka tena na nanao fijery nitanila ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena no sady Minisitra mpiahy ny Faritanin’i Toliara raha nivahiny tao amin’ny fahitalavitra tsy miankina iray,nanao tombana ny fampandrosoana sy niresaka ny raharaham-pirenena ankehitriny fa nitanisa ireo porofo mivaingana hita maso tamin’ireo vokatra azo rehetra.Tsy kisendrasendra anefa izany rehetra izany hoy andriamatoa Minisitra raha namaly ny mpanentana ny fandaharana fa nohon’ny fahaizana mitantana sy ny firaisan-kina ary ny fiombonan-kevitra amin’ny fanatanterahana ireo velirano 13 izay napetraky ny Filoham-pirenena.
Raha ny fampandrosoana ankapobeny no nasiana resaka dia tsy nataon’ny mpitondra ankehitriny sakana ny fisian’ny valana’aretina Covid-19,ka tsy odiana tsy hita ny fifehezana ity aretina ity sy ireo foto-drafitrasa mijoro etsy sy eroa.Hoan’i Toliara manokana,ankoatr’ireo foto-drafitrasa hafa haorina any dia anisany lehibe indrindra ny fanamboarana ny tetezana mirefy 980 m amin’ny renirano Mangoky ka hasiana toha-drano hamokarana herinaratra ny ao ambaniny amin’ny andaniny ary hanondrahana lemaka ny ankilany.
Eo amin’ny fampiroboroboana ny tanora sy ny fanatanjahantena dia tsy misy diso anjara ireo faritra na distrika rehetra maneran’i Madagasikara fa saika ahitana fanorenana foto-drafitrasa mahakasika an’izany avokoa na kianja izany na dobo filomanosana na Gymnase ary natao manaraka ny fenitra iraisam-pirenena. Mijanona ho ray aman-dreny (manelanelana,manampy,mananatra) hatrany andriamatoa Minisitra amin’ny raharaham-pitantana misy amin’ireo rantrana samihafa (federasiona,klioba,sns) ka rariny tokoa raha misy ny vokatra azo tsapain-tanana toy izao raha tsy hitanisa ireo medaly volamena be dia be, azo nandritra ireo lalao maro samihafa iraisam-pirenena (lalaon’ny Nosy,lalaon’ny Afrika) izay nandraisantsika anjara,nisongadina hatrany ireo atleta malagasy.
Mahakasika ny fiatrehana fifaninana amin’ny CAN indray dia miara asa akaiky ny ministera sy federasiona ny baolina kitra malagasy ary ny mpanazatra amon’ny fitadiavana vahaolona hamondronana ireo mpilalao sy ny fanomanana azy ireo hiatrika an’izany.Efa vita ihany koa ireo fanarahana fenitra notakian’ny CAF mahakasika ny «Stadium Barikadimy» izay handraisantsika ny lalao miverina hihaonana amin’ny Cote d’ivoire hoy hatrany ny Minisitry ny tanora sy fanatanjahantena,Atoa TINOKA Roberto.