MENABE CONNEXION : FANOKAFANA NY HETSIKA MIARAKA AMIN’NY MINISITRY NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA NO SADY FILOHAN’NY FIKAMBANANA.

Tonga nanokatra ny hetsika izay karakarain’ny fikambanana Menabe connexion ny 10-11-12 Septambra 2021 ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa MAMOD’ALI HAWEL no sady filohan’ity fikambanana ity, anio 10 Septambra 2021 tao Morondava.

Nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ny lanonana izay karakarain’ny fikambanana Menabe Connexion dia nanambara ny minisitra fa fampandrosoana ny faritry Menabe eo amin’ny lafiny tanora sy ny fanatanjahantena no isany ahatongavan’izy ireo any an-toerana.Nisaotra ny Filoham-pirenena sy ny Praiminisitra ihany koa izy tamin’ny fanendrena azy ho mpikambana ao amin’ny governemanta.

Fanamby napetran’Andriamatoa minisitra amin’izany ny tsy maintsy ahavitan’ny Kianja ao Morondava.

Nisaotra ireo parlemanta rehetra tonga nanome voninahitra ny hetsika,indrindra ireo mpiara-dia aminy avy eo anivon’ny Ministera ny tenany, eo ihany koa ny fisaorany ireo mpiara-miombon’antoka rehetra tsy ankanavaka nahafahana nanatanteraka ny lanonana ary ireo manam-pahefana rehetra ao amin’ny faritra Menabe.

Namaranany ny teniny ny hoe »fampandrosoana an’i Morondava sy Menabe no Rendez-vous ».

Marihina fa ny hetsika dia hitohy mandritra ny telo andro,nentina nanombohana izany ny fifaninanana « beach soccer »,tsy ho latsa-danja amin’izany ireo lalao ara-panatanjahantena hafa,hisy ihany koa ny fampisehoana sy ny fifanankalozana.

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...