Lalao fifanitsanana AFROBASKET 2021:hiatrika ny dingana faharoa ny ekipam-pirenena malagasy

Niainga omaly ny delagasiona mandrafitra ny ekipam-pirenena Basket ball.

Dingana faharoa amin’ny fifanintsanana Afrobasket 2021,ity hatrehana any Rwanda ny 27 hatramin’ny 29 novambra 2020 ity.16 ny mpandray anjara amin’izany ary notsinjaraina anatin’ny vondrona 4.

Ao amin’ny vondrona A no misy an’i Madagasikara miaraka amin’ny Tonizia (TUN) , RD Congo (RDC) ary Centrafrique (RCA) .

Mbola hisy ihany koa ny lalao miverina izay hotanterahina amin’ny volana febroary 2021.

Tsiahivina fa ny dingana voalohany tamin’ity fifanintsanana ity dia notontosaina tany Zimbabwe tamin’ny volana janoary 2020 ka nahazoantsika ny laharana voalohany.

Raha ny lamina napetrakin’ny mpikarakara dia ireo ekipa telo voalohany isam-bondrona no mahazo ny tapakila hiatrika ny Afrobasket.

Ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena dia manohana mandrakariva ny federasiona sy ny mpanao fanatanjahan-tena malagasy amin’ny fiarovana ny voninahitr’i Madagasikara.

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...