
Niainga omaly ny delagasiona mandrafitra ny ekipam-pirenena Basket ball.
Dingana faharoa amin’ny fifanintsanana Afrobasket 2021,ity hatrehana any Rwanda ny 27 hatramin’ny 29 novambra 2020 ity.16 ny mpandray anjara amin’izany ary notsinjaraina anatin’ny vondrona 4.
Ao amin’ny vondrona A no misy an’i Madagasikara miaraka amin’ny Tonizia (TUN) , RD Congo (RDC) ary Centrafrique (RCA) .
Mbola hisy ihany koa ny lalao miverina izay hotanterahina amin’ny volana febroary 2021.
Tsiahivina fa ny dingana voalohany tamin’ity fifanintsanana ity dia notontosaina tany Zimbabwe tamin’ny volana janoary 2020 ka nahazoantsika ny laharana voalohany.
Raha ny lamina napetrakin’ny mpikarakara dia ireo ekipa telo voalohany isam-bondrona no mahazo ny tapakila hiatrika ny Afrobasket.
Ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena dia manohana mandrakariva ny federasiona sy ny mpanao fanatanjahan-tena malagasy amin’ny fiarovana ny voninahitr’i Madagasikara.