Lalao fampivondronana indroa miantoana nataon’ny Barea.

Vita soa aman-tsara ireo lalao fampivondronana indroa miantoana nataon’ny Barea.

Nandresy 4 sy 1 isika tamin’ny lalao fanazarantena nihaonana tamin’ny Swift Hesperange raha toa ka resin’ny Burkina Faso 2 sy 1 tamin’ny lalao ara-piralahiana. Samy nentina nakana lesona avokoa ireny lalao natao ireny.
Tsy vita hatreo ny fampivondronana ireo mpilalao fa mitohy hatrany na ny fanazarantena na ny fitsirihana ara-pahasalamana isan-tsokajiny.
Raha atao bango tokana dia efa samy nahazo traik’efa avokoa ireo mpilalao rehetra na ny vaovao izay nampiseho ny fahaizany miaraka ary ampy tsara hiantrehantsika ny tena fifaninana izay hihaonana amin’ny Côte d’Ivoire amin’ny volana Novambra.

Arabaina ny BAREA nahavita izay lalao 2 izay ary isaorana ny ezaka rehetra nataon’ny mpilalao tsirairay sy ny mpanazatra ary ireo mpiara-miasa aminy.
Na teo aza ny fahabangana izay nisy noho tsy nahateo an’i Carolus sy Ibrahim izay nanana olana resaka fiverenana aorian’ny lalao noho ny Covid-19, Kapiteny Anicet izay nisy ratra ary Mombris voan’ny Coronavirus ka tsy nahafahan’izy ireo niaraka tamin’ny Ekipany.
Ny mpilalao 2 lahy Pascal sy Dimitry koa izay tsy niakatra ambony kianja noho ny tsy fahampian’ny fifaninanana nataon’izy mirahalahy araka ny fanazavan’ny mpanazatra.

Ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahan-tena, TINOKA Roberto dia mankahery mandrakariva ny mpilalao rehetra.

Alefa Barea
Alefa Madagasikara

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...