KOMITY PARALYMPIQUE MADAGASIKARA

Notanterahana ny 19 jona 2023, tao amin’ny Académie Nationale des Sports Ampefiloha, ny fanokafana ny tetikasa vaovao eo amin’ny sehatry ny fampiroboroboana ny hetsika ara-panatanjahantena ho an’ireo manana fahasembanana eto Madagasikara.

Tetikasa izay hiarahan’ny Minisiteran’ny ny Tanora sy ny Fanatanjahantena sy ny  Madagascar Paralympique Commitee (MPC) ary ny Masoivohon’i  Frantsa miasa sy monina eto Madagasikara misalahy izay vatsian’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny Frantsay.

Heritaona ny faharetan’ity tetikasa ity izay mifototra amin’ireto tanjona miisa 3 ireto:

– Fanamafisana ny firafitry ny Federasiona Malagasy ny Paralympiques.

– Fampiroboroboana ny sehatry ny fandraharahana amin’ny famokarana fitaovam-panatanjahantena ho an’ny manana fahasembanana.

– Ny fanentanana ny vahoaka momba ny fahasembanana amin’ny alalan’ny fanatanjahantena.

Tonga nanome voninahitra izany ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny ny eto anivon’ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Autre Articles

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

Tanteraka androany Alakamisy 29 Aogositra 2024,teny anivon'ny biraon'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) teny ambohidahy ny fanambaram-pananan' ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah. Nambarany taorian'izany fa...

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notanterahina ny 09 septambra 2023 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Kianja mahazaka mpijery miisa 1000, ahitana efitra miisa 4 ho an'ny mpilalao sy miisa 2 ho an'ny mpitsara, ary toeram-pidiovana miisa 4 ho an'ny...

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

Tontosa ny 3 septambra 2023 teo amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny lanonana famaranana tamin'ny fomba ofisialy ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 izay notanterahana teto Madagasikara. Laharana voalohany i Madagasikara nandritra ity Lalaon'ny Nosy ity. - Medaly...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

Medaly volamena no azony Barea an'i Madagasikara eo amin'ny taranja Football mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

Medaly volamena avokoa no azony Malagasy eo amin'ny sokajy lahy sy vavy eo amin'ny taranja Basketball mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11.   Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa...

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

Notokanana ny 31 aogositra 2023 ny magazay Sport 2000 Ankorondrano izay mifantina ireo marika azon'ny rehetra jifaina sy amin'ny vidiny mirary. Ny Sport 2000 dia manolotra karazana fitaovana avo lenta avy amin'ny marika iraisam-pirenena ho an'ny taranja...