
Notanterahina ny faha 12 ny volana desambra 2020 teo ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja Karate kata andiany voalohany ho an’ny sokajy latsaky ny 14 taona lahy sy vavy , izay hotsaraina amin’ny alalan’ny horonan-tsary mivantana.
Nanana mpandray anjara 17 isika Malagasy ka teny Ankorondrano no nanodinana ny horonan-tsary mivantana ho antsika Malagasy.
<--!more-->Tafiakatra hiady ny lalao famaranana ny 14 amin’izy ireo , 7 hiady ny medaly volamena sy volafotsy ary 7 hiady ny medaly alimo. Ho fantatra alohan’ny 20 Desambra 2020 izao ny vokatra ofisialin’ny fifaninanana.
Na eo aza ny olana ara-pahasalamana izay atrehan’ny firenena maro manoloana ny Covid-19 dia tsy nataon’ny Federasiona Malagasy ny Karate sakana ny fandraisana anjara mavitrika tamin’ny fifaninanana.
KARATE: CHAMPIONNAT D’AFRIQUE 2020
Première édition du Championnat d’Afrique de karaté-kata pour les catégories jeunes garçons et filles de moins de 14 ans (U14) le 12 décembre 2020.
La Compétition sera jugée en ligne.
Madagascar est représenté par 17 participants dont 14 d’entre eux se sont qualifiés pour la finale: 7 pour disputer les médailles d’or et d’argent et 7 pour la médaille de bronze. La transmission en ligne s’est déroulée á Ankorondrano pour nos jeunes Karatéka
Les résultats de la compétition seront révélés avant le 20 décembre 2020.
Malgré la crise sanitaire que rencontre plusieurs pays face au Covid19, cette situation n’a pas empêché la fédération malagasy de karaté à participer à la compétition.