JUDO: Tompondakan’i Afrika 2020 sokajy Senior

TSARA NY VOKATRA HO ANTSIKA MALAGASY

Nampiakatra avo ny voninahitr’i Madagasikara ny Taranja Judo.

Nifarana ny fifaninanana teo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika 2020 ho an’ny taranja Judo sokajy SENIOR izay notanterahina teto Madagasikara tao amin’ny lapan’ny Kolontsaina sy fanatanjahantena Mahamasina ny 17 hatramin’ny 20 Desambra 2020 lasa teo.

Nahazo Medaly alimo 4 isika Malagasy koa arabaina ireo mahery fo antsika ary miarahaba manokana ny Federasionina amin’izao vokatra izao izay avy amin’ny fanomanana tsara sy fahavononana.

Ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahan-tena dia eo anilan’ny federasiona sy ny mpanao fanatanjahantena mandrakariva.

Nos Judokas digne des grands gladiateurs

Dans une ambiance chaleureuse et un tournoi bien organisé , hier s’est déroulé la clôture du championnat d’Afrique de JUDO catégorie Senior 2020 à Antananarivo, capitale de Madagascar . Rappelons que ce grand évènement sportif a duré quatre jours, du 17 au 20 Décembre 2020 au Palais des sports Mahamasina . Nos efforts n’ont pas été en vain puisque Madagascar a remporté 4 Medailles de Bronze durant le Championnat d’Afrique.

Nous tenons à féliciter nos jeunes héros, ainsi que la Fédération pour le brillant résultat et pour tous les préparatifs.

Le Ministère de la jeunesse et des sports reste à la disposition de tous les athlètes.