JIOI 2023 : FANOMANANA NY LALAON’NY NOSY ANDIANY FAHA 11

Araka ny fampanantenana nataon’ny fitondram-panjakana mahakasika ny fampivondronana iraisam-pirenena ireo mpanao fanatanjahantena Malagasy, dia nanainga ho any Chine tamin’ny herinandro lasa teo ny taranja 4 : ny Athlétisme, ny Badminton, ny Haltérophilie ary ny Tennis de Table izay ahitana mpanao fanatanjahantena miisa 45, mpanazatra 4 ary tompon’andraikitra ara-taratasy 2.

Haharitra efa-bolana ny fampivondronana sy fampiofanana izay fiaraha-miasa amin’ny Governemanta Sinoa.

Niainga ny faha-16 febroary 2023 ireo andiany voalohany ka atleta miisa 15 avy amin’ny taranja Atletisma, 14 avy amin’ny taranja Haltérophilie miampy mpanazatra iray avy ary tompon’andraikitra ara-taratasy 1.

Ho fanohanana ireto atleta ireto dia nisy ny fampitaovana azy 51 mianadahy izay nahitana fanamiana isankarazany,  » tennis,  » sac de voyage, sacs à dos ».

Ny Minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena izay tarihan’Andriamatoa Minisitra TINOKA Roberto dia mitsodrano azy ireo ary mirary fanomanana mahomby.