GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY GEW
NAHASARIKA TANORA MAROBE NY HETSIKA SY NY FIZARAN’IREO MINISTRA

Nahasarika tanora marobe mpandraharaha na ireo tsy mbola ao anatiny ny hetsika fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny « Herinandro maneran-tany natokana ho an’ny fandraharahana » na « Global entrepreneurship week ». Izany dia notanterahana teo amin’ny efitrano malalaky ny Ministeran’ny toekarena sy ny fitantanam-bola tetsy Anosy ka hipaka amin’ny renivohiparitra sasany toy ny any Toamasina, Fianarantsoa ary amin’ireo tanana manodidina an’Antananarivo toy ny etsy Ambohimangakely. Ny Ministry ny Indostria, ny Varotra ary ny Fanjifana (MICC) Andriamatoa Edgard RAZAFINDRAVAHY sy ny Ministra lefitra misahana ny tanora Ramatoa Juliana RATOVOSON no nanome voninahitra sy nanokatra tamin’ny fomba ofisialy ny hetsika.

Nanome aingam-panahy sy nanamafy ny finiavana ao anatin’ny tanora mpandraharaha ny fizarana izay nataon’ireo Ministra roa tonta amin’ny mpaha mpandraharaha matihanina azy sy amin’ny maha mpitaiza tanora ny Ministra misahana ny tanora. Mahavelom-bolo ny mahita ny traik’efa ananan’ireo tanora izay mivondrona anaty koperativa izay anisan’ny nisitraka ny tosika sy famatsiam-bola nomen’ny MICC. Misy amin’izy ireo efa lasa lavitra amin’ny fanodinana ny vokatra, ny famarotana azy ireny amin’ny fonosana sy endrika mahasarika ny mpanjifa. Mbola maro ny dingana sy ezaka hotratrarina ka izany indrindra no nanatonan’ny Ministra lefitra misahana ny tanora mba hijerevana akaiky ny fiaraha-miasa hahatonga ireo taniketsan’ny mpandraharaha hanaraka ny fenitra sy hahamatihanina azy ireo.

Izao hetsika izao dia santatra ambavarano ihany fa ny tanjona ambony indrindra dia ny hanatrarana ireo veliranon’ny Filohan’ny Repoblika faha-6 sy faha-8 raha tanora no resahana : « Asa mendrika ho an’ny rehetra » sy ny « Fizakantenan’ireo tanora »
Alefa tanora mpandraharaha, Alefa Madagasikara

 

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

Nidina ifotony nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao Brickaville indray ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa Hawel MAMOD’ALI anio 6 Novambra 2021. Hita arak'izany fa mandeha ny asa ary nohamafisina ny fanajana ireo...

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

KONGRESY NASIONALIN’NY PARAMED TAO MORONDAVA

Tonga nanatrika ny kongresy nasionalin'ny Paramed tany Morondava niaraka tamin'ny Minisitry ny Fahasalamam-bahoaka ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel MAMOD'ALI, indrindra amin'ny maha Minisitra COACH MENABE ny tenany. Tonga tany Belo/Tsiribihina ihany...