FORMATION DES FORMATEURS « LIFE SKILLS »

MANATEVIN-DAHARANA IREO « POOL DE FORMATEURS » EFA NISY HATRIZAY
Iray amin’ireo fandaharanasa entina manabe ny Tanora ny « Life Skills »na ny Fahaiza-miaina entina miatrika ny fiainana. Ny taona 2007 ny Ministera ny Tanora sy ny Fanatanjahantena no namolavola ny tanora tamin’ity fandaharanasa Life Skills ity ka nahitam-bokany tokoa teo amin’ny fiainan’ny tanora.
Hahafahan’ireo tanora malagasy eny amin’ny Faritra 23 misitraka izany dia ampitomboina ireo mpampiofana, ka tanterahina eo amin’ny Centre Fafiala Ambohimangakely, fiaraha-miasa amin’ny UNICEF, ny fanofanana ireo ho mpampiofana miisa 35 izay hanamafy orina ireo « Pool des Formateurs » amin’ity LIFE SKILLS ity.Nanokatra izany tamin’ny fomba ofisialy androany faha 10 Janoary 2022 ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora Juliana RATOVOSON.
Anisan’ny vokatra handrasana amin’ity Programme Life skills ity ny hananana:
* tanora Vanona sy mendrika,
*Tanora mahafehy ny fihetsem-pony sy mahay mifandray amin’ny hafa,
*tanora afaka mihoitra sy miala amin’ny tsindry maro samihafa eny amin’ny fiarahamonina,
*tanora manana fijery miabo ary mahay mandray fanapahan-kevitra mahomby entiny miatrika ny ho aviny manontolo.
Koa aorian’izao fiofanana haharitra 12 andro izao dia hampiofana ireo tanora eny anivon’ny Filankevitry ny Tanora, ny fikambanana, ny sekoly ary eny amin’ny fiarahamonina ireto mpampiofana ireto. Izao asa izao dia anisany singa entina manatratra ny tanjona dia ny FIZAKAN-TENA NY TANORA , araka ny VELIRANO NY FILOHAM-PIRENENA .
© VMJ Janv 2022

Autre Articles

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao

FIARAHABANA AN'ATOA MINISITRA NOHO NY TAONA VAOVAO  Noho ny nahatratrarana ny taona vaovao 2025 dia tsy adinon'ireo staff eto anivon'ny MJS no niarahaba manokana an’Andriamatoa Minisitra MARSON MOUSTPHA Abdulah amin'ny maha Ray aman-dReny eto anivon'ny Ministera ny...

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

FANATSARANA NY FAHASALAMAN’NY TANORA

Amin'ity taona 2022 ity dia hatomboka any amin'ny Faritra Ihorombe, Menabe ary Alaotra Mangoro ny fijerena sy fanaraha-maso ny fahasalaman'ireo Tanora. Noho izany dia notontosaina io maraina io teny amin'ny Centre d'Infectiologie Charles Merieux Ankatso ny...

MAISON DES JEUNES ANOSIBE ANALA

MAISON DES JEUNES ANOSIBE ANALA

SOKAFANA INDRAY AO ANATIN'NY FIFANDRIMBONAN'NY TANORA Manana Maison des Jeunes ny tanora ao an'Anosibe an'Ala saingy fsy nisitraka izany ireo tanora noho izy zary lasa fitoeran'entana efa simba sy lao efa an-taonany maro. Mandritra izao fandalovan'i Minsitra lefitra...