FOOTBALL: FIHAONANA NIARAHANA TAMIN’NY FILOHAN’NY FEDERASIONA

Tonga nitsidika an’Andriamatoa Minisitra André Haja RESAMPA, teto amin’ny toeram-piasany Ambohijatovo ny Filohan’ny Federasionina Malagasy ny taranja Baolina kitra, Andriamatoa Victorien ANDRIANONY, ny faha 4 aprily 2023.

Voaresaka nandritra izany ny fanomanana ny hoavin’ny baolina kitra eto Madagasikara.

Eo ihany koa ny mahakasika ny ekipam-pirenena BAREA mba hitondra fahombiazana indray ary hampiakatra avo ny voninahim-pirenena.