| Tao aorian’ny fandalovan’i Andriamatoa Praiminisitra NTSAY Christian teto Vatomandry no nanombohana ny fametrahana izao fotodrafitrasa ho an’ny tanora izao na « Maison des Jeunes ». Vita tanteraka ny asa fanamboarana, koa nitsidika ny Distrikan’i Vatomandry ny Minisitra lefitra misahana ny Tanora Tahina Juliana Ratovoson niaraka tamin’ny Talem-paritry ny Tanora DRJS Atsinanana nandray an-tanana ity tranobe an’ny tanora ity mialoha ny hitokanana azy.
Nanatrika izany fotoana izany ny Solombavambahoakan’ny Vatomandry, ny Sekretera Jeneraly ny Faritra Atsinanana, ny Lehiben’ny Distrika, ny Ben’ny Tanàna sy ireo Tanora.
|
Fiarahabana an’Atoa Minisitra noho ny taona vaovao
FIARAHABANA AN'ATOA MINISITRA NOHO NY TAONA VAOVAO Noho ny nahatratrarana ny taona vaovao 2025 dia tsy adinon'ireo staff eto anivon'ny MJS no niarahaba manokana an’Andriamatoa Minisitra MARSON MOUSTPHA Abdulah amin'ny maha Ray aman-dReny eto anivon'ny Ministera ny...












