FITSIDIHANA NY FARITRA VATOVAVY TAORIAN’NY RIVO-DOZA BATSIRAI

Tonga nanampy ireo faritra nandalovan’ny rivodoza Batsirai ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Hawel Mamod’Ali sy ny ekipany, indrindra hijery manokana ireo mpiara-miasa eny @ sampan-draharahan’ny MJS eny an-toerana.

Eto IFANADIANA izay Faritra VATOVAVY no nisantarana izany izay anisan’ny tena voa mafy: tranom-panjakana, tsena, fiangonana, sekoly sy ireo maro samihafa. Ary mbola tsy misy Jiro sy Rano hatramin’izao.

Avy hatrany dia nanolotra vary ho an’ny mpiara-miasa ao @ MJS sy ireo traboina. Nanome « Lampes solaires » ihany koa ho fanampiana azy ireo mandritry ny jiro tapaka. Notolorana baolina FOOT sy BASKET maromaro ihany koa ireo tanora ho fankaherezana azy ireo, ary nanentana azy handray andraikitra sy hanampy ireo sahirana.

Mbola hitohy hatrany Mananjary, Manakara, ary Vohipeno ny dia.

 

Autre Articles

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

Tanteraka androany Alakamisy 29 Aogositra 2024,teny anivon'ny biraon'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) teny ambohidahy ny fanambaram-pananan' ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah. Nambarany taorian'izany fa...

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notanterahina ny 09 septambra 2023 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Kianja mahazaka mpijery miisa 1000, ahitana efitra miisa 4 ho an'ny mpilalao sy miisa 2 ho an'ny mpitsara, ary toeram-pidiovana miisa 4 ho an'ny...

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

Tontosa ny 3 septambra 2023 teo amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny lanonana famaranana tamin'ny fomba ofisialy ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 izay notanterahana teto Madagasikara. Laharana voalohany i Madagasikara nandritra ity Lalaon'ny Nosy ity. - Medaly...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

Medaly volamena no azony Barea an'i Madagasikara eo amin'ny taranja Football mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

Medaly volamena avokoa no azony Malagasy eo amin'ny sokajy lahy sy vavy eo amin'ny taranja Basketball mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11.   Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa...

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

Notokanana ny 31 aogositra 2023 ny magazay Sport 2000 Ankorondrano izay mifantina ireo marika azon'ny rehetra jifaina sy amin'ny vidiny mirary. Ny Sport 2000 dia manolotra karazana fitaovana avo lenta avy amin'ny marika iraisam-pirenena ho an'ny taranja...