FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY NATAON’NY MASOIVOHON’NY SOISA MIASA ETO MADAGASIKARA.

Ny talata faha-5 aprily, no tonga nitsidika tamin’ny fomba ofisialy an’Andriamatoa TINOKA Roberto, Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena teto Ambohijatovo ny Masoivohon’ny Soisa miasa sy monina eto Madagasikara, SEM Chasper SAROTT.

Nandritra ny fandraisany fitenenana no niarahabany an’Atoa Ministra amin’ny fitantanana indray ny Ministera.

Nanamarika ihany koa izy ny fahavononany hiara-miasa manoloana ny fandaharan’asa isankarazany eo anivon’ny Ministeran’ny Tanora sy Fanatanjahantena.

Nanolotra fisaorana ho an’ny Andriamatoa Ambasadaoro sy ny Repoblika Soisa ny Minisitra TINOKA Roberto nandritra ny fandraisany fitenenana, ary nanamafy fa ny Tanora sy ny Fanatanjahantena dia nametrahan’Atoa Filoham-pirenena programan’asa matanjaka izay mendrika hotohanana.

Madagasikara rahateo dia hampiantrano ny Lalaon’ny Nosy andiany faha-11 ny taona 2023 izay nanolorany ny hetahetan’ny Ministera ny handefasana mpanao fanatanjahantena Malagasy amin’ny taranja vitsivitsy hiofana any Soisa noho izy manana ivon-toeram-piofanana avo lenta.

Nisy araka izany ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny roa tonta amin’ny alalan’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena.

Autre Articles

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

FANAMBARAM-PANANANA TENY ANIVON’NY HCC

Tanteraka androany Alakamisy 29 Aogositra 2024,teny anivon'ny biraon'ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana (HCC) teny ambohidahy ny fanambaram-pananan' ny Minisitry ny tanora sy ny fanatanjahantena Andriamatoa MARSON MOUSTAPHA Abdulah. Nambarany taorian'izany fa...

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

FARITRA ALAOTRA MANGORO : FITOKANANA NY KIANJA MANARAPENITRA

Notanterahina ny 09 septambra 2023 ny fitokanana ny kianja manarapenitra vaovao ao Ambatondrazaka, Faritra Alaotra Mangoro. Kianja mahazaka mpijery miisa 1000, ahitana efitra miisa 4 ho an'ny mpilalao sy miisa 2 ho an'ny mpitsara, ary toeram-pidiovana miisa 4 ho an'ny...

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

LALAON’NY NOSY 2023: LANONANA FAMARANANA

Tontosa ny 3 septambra 2023 teo amin'ny Kianja Barea Mahamasina ny lanonana famaranana tamin'ny fomba ofisialy ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11 izay notanterahana teto Madagasikara. Laharana voalohany i Madagasikara nandritra ity Lalaon'ny Nosy ity. - Medaly...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA FOOTBALL

Medaly volamena no azony Barea an'i Madagasikara eo amin'ny taranja Football mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11. Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa André Haja RESAMPA sady...

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

LALAON’NY NOSY 2023: TARANJA BASKETBALL

Medaly volamena avokoa no azony Malagasy eo amin'ny sokajy lahy sy vavy eo amin'ny taranja Basketball mandritra ny Lalaon'ny Nosy andiany faha 11.   Nanontrona ireo Atleta nandritra ity lalao famaranana ity ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena, Andriamatoa...

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

SPORT 2000 : MAGAZAY VAOVAO NOSOKAFANA ETO MADAGASIKARA

Notokanana ny 31 aogositra 2023 ny magazay Sport 2000 Ankorondrano izay mifantina ireo marika azon'ny rehetra jifaina sy amin'ny vidiny mirary. Ny Sport 2000 dia manolotra karazana fitaovana avo lenta avy amin'ny marika iraisam-pirenena ho an'ny taranja...