FITSIDIHANA ARA-POMBA OFISIALY NATAON’NY MASOIVOHON’I JAPANA MIASA SY MONINA ETO MADAGASIKARA AN’ANDRIAMATOA MINISITRY NY TANORA SY NY FANATANJAHANTENA

Tonga nitsidika ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa MAMOD’ALI Hawel ny masoivohon’ny firenena Japoney monina eto Madagasikara Andriamatoa Yoshihiro Higuchi anio 15 Oktobra 2021.

Noresahina nandritra izany ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta sy ny amin’ny hanavaozana izany fiaraha-miasa efa nisy hatramin’ izay izany eo amin’ny sehatry ny Tanora sy Fanatanjahantena.

Ny fanomanana ny Lalaon’ny Nosy hoy Andriamatoa minisitra no akaiky indrindra ary eo koa ny tetikasa handefasana atleta malagasy hiofana any Japana sy ny fanafarana manam-pahaizana (expert) manokana ara-panatanjahantena Japoney ho avy eto Madagasikara ho fanomanana ireo lalao iraisam-pirenena lehibe handraisantsika anjara.

Noresahina ihany koa ny fiaraha-miasa mahakasika ny tanora ka niompana indrindra tamin’ny fijerena akaiky ny  » Institut National de la Jeunesse » izay tetik’asa novolavolain’ny Talen’ny INJ Atoa Thierry RABARINALA niaraka tamin’ny Masoivoho teo aloha ka hotohizan’ny Masoivoho vaovao ho mariky ny fitohizan’ny fiarahamiasa.

Izany no natao dia ho fanomezan-danja ny tanora amin’ny alalan’ny fanavaozana hisy eny amin’izany Institut izany. Isika rahateo dia misitraka  » volontaire » Japonais fiarahamiasa miaraka amin’ny fikambanana JICA izay samy misitraka izany na ny sehatry ny tanora na fanatanjahan-tena.

Autre Articles

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul

Conférence ministérielle de Banjul : le Ministre de la Jeunesse et des Sports réaffirme l’engagement de Madagascar pour une gouvernance sportive exemplaire Sous l’égide de l’UNESCO Anti-Dopage, de l’USADA, de la WADA et de l’Union Africaine (UA), la conférence...

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La jeunesse garant de la paix et du progrès

La 4e édition de la Conférence Ministérielle de Haut Niveau sur la Paix et la Stabilité des Jeunes dans les pays insulaires du COMESA aura lieu à Madagascar du 03 au 06 décembre 2024. Madame RAHARIJAONA Arlette, Directeur Général de la Jeunesse au sein du Ministère de...

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

GLOBAL ENTREPRENEURSHIP WEEK 2021

FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY GEW NAHASARIKA TANORA MAROBE NY HETSIKA SY NY FIZARAN’IREO MINISTRA Nahasarika tanora marobe mpandraharaha na ireo tsy mbola ao anatiny ny hetsika fankalazana amin’ny fomba ofisialy ny « Herinandro maneran-tany natokana ho an’ny...

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

BRICKAVILLE: FITSIDIHANA NY KIANJA MANARAPENITRA.

Nidina ifotony nijery ny fandrosoan'ny asa fanamboarana ny kianja manarapenitra tao Brickaville indray ny Minisitry ny Tanora sy ny Fanatanjahantena Andriamatoa Hawel MAMOD’ALI anio 6 Novambra 2021. Hita arak'izany fa mandeha ny asa ary nohamafisina ny fanajana ireo...